NATAOKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NATAOKO




Nataoko ho tomany mpirotsaka hariva
iny lasa nandeha any anatin'ny zavona
kanefa tsy izany fa tamin'ny feo iva
no nohirahirainy izay mba tsy avona.




Nataoko ho tebiteby mpisy matetika
ireo izay nipoitra tao anatin'ny alina
kanefa tsy izany fa nahatsara fitetika
an'ireo nofinofy toa be zava-dalina !




Nataoko ho ratra mpahazo mangina
ireo nisodisody sy izay tazako tamy
kanefa tsy izany fa injao fitahiana
mivimbina eto ny soa sy ny mamy.




Nataoko ho latsa mpanitsaka foana
ireo niantso tamin'ny hiaka mafonja
kanefa tsy izany fa zary nampihaona
'reny dera sy laza tsy indray monja.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
669 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/06/2016 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144