You are here: home > Vetso

NAVELAN'NY OLONA TEO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NAVELAN'NY OLONA TEO





Navelan'ny olona teo
izy iny fa nanirikiry
ka trotraky ny toreo
namely sy niziriziry.




Navelan'ny olona teo
izy iny fa nanesoeso 
ka maina vao babeo
ny vita misy refeso !




Navelan'ny olona teo
izy iny fa namelively
ka fanina be, ry zareo,
toa nahafinaritra kely.




Navelan'ny olona teo
izy iny fa nanambany
ka sina ho azy, jereo
fa tena latsa-tomany.




Fredy JAOFERA