NENTIM-PITIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENTIM-PITIA





Nentim-pitia
matoa aho manoratra
fa ny mangia,
embona ange, ohatra.




Nentim-pitia
matoa aho malahelo
fa tsy minia
mba hitoerana avelo.




Nentim-pitia
matoa aho misaritaka
fa te handia
fotoana hampibitaka.




Nentim-pitia
matoa aho mitomany
fa be siasia
ny fiainana an-tany !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
494 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 03/09/2022 15:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147