NIAINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIAINA





Niaina ianao
rehefa nitia,
ny lasa ialao
fa mankahia.




Niaina ianao
rehefa nijaly,
ny eto afaho
ho fo mifaly.




Niaina ianao
rehefa nizaka,
ny toky avaho
fa lalim-paka.




Niaina ianao
rehefa nihafy,
ny soa araho
fa mba fitafy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
663 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013