NIDIFY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIDIFY




Nidify ianao
toy ny masoandro milentika
ka tao ho ao
dia mbola tsaroana matetika.



Nidify ianao
toy ny vorona hita mikopaka
ka tsy mandao
ny sento fa mainka mitobaka.



Nidify ianao
toy ny lohataona mahavariana
ka very lalao
ny tontolo sy very hamamiana.



Nidify ianao
fa eto ihany ny fo amam-panahy
ka avelao
itony alahelo mafy itony ho ahy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/05/2024 23:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141