NIEZAKA HAMPAHERY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIEZAKA HAMPAHERYNiezaka hampahery
ireny hirahirantsika
fa nampahory irery
tsy naha-te hikiaka.
Niezaka hampahery
ireny zava-bita maro
fa mbola naneritery
vao sento nifangaro.
Niezaka hampahery
ny tontolo nojerena
fa namoaboaka fery
tsy mba tian'ny tena.
Niezaka hampahery
ireo vorona maneno
ka aleoko tsy mijery
fa tsy faniriana feno.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
