N'INONA N'INONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
N'INONA N'INONA





N'inona n'inona ratra
namely ahy mangina,
inoako fa hitsahatra
sy hanjary fitahiana.




N'inona n'inona voina
namotika iny tsarako,
hira foana no kaloina
sy ataon'ity fararako.




N'inona n'inona banty
nandentehana tokoa,
mbola eto mahatanty
sy midera ihany koa.




N'inona n'inona fanitso
tsy nanafo 'tony trano,
heveriko fa ny ampitso,
hampikopaka ny vano.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/01/2023 19:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152