NISY ANDRO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY ANDRO




Nisy andro nahavoa
nahamoana mihitsy
fa ankehitriny moa
dia efa sento vitsy.



Nisy andro naharesy
tsy nahitana havana
fa ny tiana no misesy
anio sy fahasoavana.



Nisy andro nahalena
ireto maso lalandava
fa izao rehefa jerena,
efa maina miran-tava.



Nisy andro nahakivy
izay tsy afa-natoriana
fa izao lasa raraka ivy
ny naneso ka dia sina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
374 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0171