NITADY KA NAHITA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
NITADY KA NAHITA
Nitady toky aho dia nahazo fitahiana,
nomena izay nilaina sy tojo fifaliana,
tojo fiderana toa tokana aman-tany,
nampientana ny foko hihira sesilany.
Nitady tsiky aho dia nahazo zava-tsoa,
natolotry ny Avo ‘reo saotra be tokoa,
nampiposaka avy ‘zato fahasambarako
afaka ny hanova ny tena hoe tantarako.
Nitady mamy aho dia nahazo fiderana,
nahita voninahitra nitombo sy tsy tana,
nomena vatolampy tsy hidaboka mihitsy
ho antoka ho doria fa tsy ho ora vitsy !
Nitady anao aho dia nahazo lamin-tsaina,
nahatsinjo etoana ‘reo ela nandrandraina,
nahita moramora ny dikany hoe fitiavana,
nataoko tsy ho ahy ho eny tomandavana.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/09/2009
Mpamangy : 935
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MPAMAFAMITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY
ASANDRATRA
VALALA VOATANGO
MAHASOA