You are here: home > Vetso

NITOMANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NITOMANY





Andro maro no nitomany
ny foko kely ratsy anjara
tsy mba nisy mpanontany
na nijerijery sao tsy tsara.




Vola-maro no nitomany
ny tontolon'ny voariko,
na kanto foana hatrany
sy nanova ny harariko.




Taona maro no nitomany
ny ainga nohamaivanina
nahavonto ery ny tany
vao embona sy hanina.




Ratra maro no nitomany
rehefa ory teny tampoka ;
nisinda avy ny hanihany
fa nijaly ka dia niantoka.




Fredy JAOFERA