NITONDRA FAHATSORANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITONDRA FAHATSORANA





Nitondra fahatsorana
'rony ady nifandirana,
nanam-pahamatorana
nanova fo tsy mirana.




Nitondra fahatsorana
'reo sedra nolalovana
tsy maintsy nifotorana
fony kivy sy torovana.




Nitondra fahatsorana
ny tsy fifankatiavana,
na tsy afa-nanolorana
fa tsara ny mihavana.




Nitondra fahatsorana,
na ny fahakambotiana
nanadala vao nizorana
iny fiainam-panahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/02/2022 18:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111