NITONDRAKO FAHORIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITONDRAKO FAHORIANA




Nitondrako fahoriana
ny eritreritra nankany,
nampiaina fanahiana,
nampiala avy hatrany.



Nitondrako fahoriana
ny safidy te hihavana,
nahalalako fanaviana
nisy nenina goavana.



Nitondrako fahoriana
natoky ny tsy fantatra,
nahitako fahakiviana
ny ora vao nisantatra.



Nitondrako fahoriana
ny nilaza izay tigetra
ka nanimba fifaliana
tany etsetra etsetra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
605 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117