NITSAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITSAKO





Nitsako talohan'ny vazana
ka dia kofona tampoka teo
izy iny raha vao nahatazana
an'ilay olona iray anikeheo.




Nitsako talohan'ny vazana
ka kendan'ny taolana ho azy
fa dedaka ho olona mazana
raha voa na toy ny voasazy.




Nitsako talohan'ny vazana
ka nihika avy hatrany tokoa
fa ireny ohabolan'ny razana,
hono ho'aho, fantany moa ?




Nitsako talohan'ny vazana
ka fanina nandraingiraingy
vao io fa tsy fahombiazana
no nisy mangina saingy...




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
693 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0408