You are here: home > Vetso

NOELIM-PITSERANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NOELIM-PITSERANA





Noelim-pitserana
no maka toerana
ka sento mangina
no fangirifiriana.




Noelim-pitserana
efa mba noferana
saingy mandrava
'zay tsikiko lava.




Noelim-pitserana
tsy afa-manerana
fa mivoy alahelo
sy tsiambaratelo.




Noelim-pitserana
misy fiheverana
tsy tantiko izany
ka latsa-tomany.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha