NOELY NO FOTOANA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY NO FOTOANA...





Noely no fotoana
anehoam-pitiavana
manintona foana,
sady mampihavana.




Noely no fotoana
mba hifampizarana
ny soa, na ahoana,
sy hifampiarahabana.




Noely no fotoana
natao hanomezana
hanova ny taona
sy hifampaherezana.




Noely no fotoana
tongavam-piderana ;
Kristy no hihaona
amintsika ka tamana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1323 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118