You are here: home > Vetso

NOFOANAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NOFOANAKO





Nofoanako ny anarany
tsy hanako eto intsony
rehefa hita fa nararany
ny soa raha tsy mitony.




Nofoanako ny fitiavany
nantenain-ko fiadanana
rehefa maro ny vavany
no tsy azo nosakanana.




Nofoanako ny safidiny
nisy zavatra azo ekena
rehefa indro ny ngidiny,
nahakivy tsy hay fefena.




Nofoanako ny maminy
nisy vazo nahafinaritra
rehefa tsy hita taminy
ny toky raha tsy aritra.




Fredy JAOFERA