You are here: home > Vetso

NOFY RARANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NOFY RARANA





Nofy rarana
ny hitia an'iny
ka zary nialana,
na mbola tiany.




Nofy rarana
ny hiombim-po
ka izao tsy tana
ny zava-manjo !




Nofy rarana
ny hiray saina
ka mihanahana
fa noratraina.




Nofy rarana
ny hifanaraka
ka aza igagana
ra' tafasaraka.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha