NOHO NY FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO NY FITIAVANA




Matoa isika teraka
dia noho ny fitiavana,
ka aza mety reraka
hihira fahasoavana.



Matoa isika miaina
dia noho ny fitiavana,
ka andao re lazaina
fa fitahiana goavana.



Matoa isika sambatra
dia noho ny fitiavana,
ka aza miambatra
tena hampihavana.



Matoa isika toy izao
dia noho ny fitiavana,
ka izay rehetra atao,
ataovy feno avana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1421 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 18/04/2014 20:45
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122