NONY LASA IANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NONY LASA IANAO




Nony lasa ianao,
atahorako ny hatsiaka
no hamely izao
ho mafy sy masiaka.



Nony lasa ianao,
atahorako ny hangina
izay manavao
anio rehefa tsindriana.



Nony lasa ianao,
atahorako ny ho banga
ny tsiky tao ho ao
satriko foana hitranga !



Nony lasa ianao,
atahorako ny ho irery
ny fo tsy nandao
fa ho ory tsy voajery.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
576 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188