NORAKETIKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NORAKETIKO





Noraketiko an-tsoratra
ny adim-piainana maro,
nanampy ny ho tohatra
niakarana re ka fantaro.




Noraketiko an-tsoratra
ny nahalavo tanteraka
fa voa iray namokatra
ny kiry ela nandreraka.




Noraketiko an-tsoratra
ny ranomaso nilatsaka
tsy nahavita nanokatra
hafaliana, na nikatsaka.




Noraketiko an-tsoratra
ny jaly tsy hay aboraka
sao mety ny ho ohatra
hanilo an'izay nivoraka.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/10/2026 23:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185