NOTADIAVIKO FOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOTADIAVIKO FOANA





Notadiaviko foana ianao
teny an-dalan'ny fitiavana
hamoha lava fa tsy tsaho
ny hetaheta re, rahavana.




Notadiaviko foana ianao
teny an-dalan'ny hafaliana
hampitaona ahy raha vao
sendra lalovam-pihafiana.




Notadiaviko foana ianao
teny an-dalan'ny hafanana
tsy hangatsiaka izay atao
fa metimety mahatamana.




Notadiaviko foana ianao
teny an-dalan'ny fiarahana
ho hasambarana ao ho ao
no tsy hitsahatra hibahana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
319 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122