NY ALAHELO ANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALAHELO ANAO




Ny alahelo anao,
tsy zakan'ny halavirana
ka avia re, afaho
itony sento manahirana.



Ny alahelo anao,
mamoha indray ny lasa
ka avia hazavao
fa misy foana ny kinasa.



Ny alahelo anao,
tsy manala ny fitiavako
ka avia anjakao
hamiratan'itony tavako.



Ny alahelo anao,
tsy manam-pahataperana
ka na inona atao
dia mbola manan-toerana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
753 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122