NY ALAHELO, POEZIA ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALAHELO, POEZIA !





Ny alahelo, poezia
tsy mety mionona
fa ao re, matokia,
ireo ainga vonona.




Ny alaheļo, poezia
milona ranomaso
manamaloka fitia
rehefa be an-kaso.




Ny alahelo, poezia
feno ratra miafina
efa teny nankahia
tsy hainao tarafina.




Ny alahelo, poezia
mifono habibiana
natako tsy handia
tontolom-pijaliana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/05/2023 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157