You are here: home > Vetso

NY ALOKY NY MARINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


NY ALOKY NY MARINA





Ny aloky ny marina
no io mirangaranga,
tonga eto hamarina
'reo lainga nitranga.




Ny aloky ny marina
no io manarakaraka
fa ilaina amboarina
ny ranobe nararaka.




Ny aloky ny marina
no io manelingelina
hamadika ny harina
ho soa tsy hihelina.




Ny aloky ny marina
no io mandehadeha
fa izay nangalarina,
hamotika azy angeĀ !




Fredy JAOFERA