NY AN-KASOMPARANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AN-KASOMPARANA




Ny an-kasomparana
no zavatra mba hainy
ka nanidy varavarana
no feno tao an-tsainy.



Ny an-kasomparana
no sitrany lalandava
ka ireo fandaharana,
maro simba sy rava.



Ny an-kasomparana
no asa izay nizorany
ka tsy mba nifarana
fa tigetra nifotorany.



Ny an-kasomparana
no hafaliany marina
ka te hanarangarana
rehefa inty mivarina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
156 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121