NY ANDRO DIA LAVA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO DIA LAVANy andro dia lava
rehefa tsy mihaona
ka tsy mba misava
ny alahelo mitaona.
Ny andro dia lava
mandra-pahatonga
ka mitily lalandava
sy tsy be somonga.
Ny andro dia lava,
na tapak'andro kely
ka oriory re ny tava
fa hanina mamely.
Ny andro dia lava
fa mafy ny fitiavana
indro manavatsava
mankany, rahavana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
