You are here: home > Vetso

NY AN'NY TENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY AN'NY TENA





Ny an'ny tena
ny tanindrazana,
mampahonena
rehefa tazana.




Ny an'ny tena
ny renivohitra,
mainka mivena
rehefa avohitra.




Ny an'ny tena
ny kolontsaina,
na dia harena,
tsy antenaina.




Ny an'ny tena
ny fandrosoana,
tsy hay volena
fa fandotoana.




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha