You are here: home > Vetso

NY ANTONY ANORATAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY ANTONY ANORATAKO





Ny antony anoratako
dia alehelo tsotra izao
manadala ity fitiavako
mitaditady foana anao !




Ny antony anoratako
dia efa ela no tsy re
ka manahy, rahavako,
ito saina sao dia hoe …




Ny antony anoratako
dia ao ihany ny taloha
mahamirana ny tavako,
na efa any tsy mifoha !




Ny antony anoratako
dia te hilaza fotsiny
fa misy ‘rony vavako
ho anao ranofotsiny.






Fredy JAOFERA