You are here: home > Vetso

NY ANY AMINAY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY ANY AMINAY





Ny any aminay
dia ambanivohitra
tsy misy antsonjay
fa rindran'ny vohitra.




Ny any aminay
dia tsy be tabataba
fa mora mifandray,
na iza sy miarahaba.




Ny any aminay
dia toeran-tsy foy
fa mamoha indray
'tony aingako hitohy.




Ny any aminay
dia lavi-pivoarana
fa tsapa ho mahay
miaina hasambarana.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha