You are here: home > Vetso

NY AZY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NY AZY



Hevi-petsy
ny azy,leitsy,
ny mangeja
itony eja
tsy anjarany
ka ny farany
ito foko
be toloko ;
ito saina
savolaina
fa tsy ireny
no hoe : reny
hampisava
lalandava
ny ady mafy
nampihafy ;
'tony ratra
nahazatra ;
'tony fosa
nahosa ;
'reo tomany
tsy hita lany...
Reny hafa
vao mitafa
tsy mamely,
na dia kely,
no tiako
sy iriko
hampandry,
na hiandry
taona maro
vao mahatsiaro ….


Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 25/07/2020
Mpamangy : 66
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO
FISARAHANA
LALINA
NY FANANAM-PAHATSORANA
NY FANGINANA