You are here: home > Vetso

NY FAHANTRANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NY FAHANTRANA





Manala fitiavana
ny fahantrana ;
manala finiavana
ny hitafana !




Mivoy haratsiana
ny fahantrana ;
mivoy hakiviana
tsara hialana.




Mamono henatra
ny fahantrana ;
mamono tselatra
be hazavana.




Mamoha hambo
ny fahantrana ;
mamoha lambo
tena igagana.





Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 24/03/2022
Mpamangy : 146
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

VAO MISY MANONTANY
MAMAKY
RAHA TSY...
MPAMAFA TAVA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY