NY FAHAVALO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHAVALO





Ny fahavalo dia mitady
izay tsy hahombiazanao
fa hivarina any an-kady
isan'andro vaky izao.




Ny fahavalo dia mikasa
izay tsy hampifaly anao,
misaina izany ho lahasa
tsy hitsaharan-draorao.




Ny fahavalo dia maniry
izay tsy hahatsara anao,
mitetika avy hangirifiry
amin'izay rehetra atao.




Ny fahavalo dia mitily
izay tsy hampety anao,
mahay koa mamilivily
ny tigetra mba handao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
917 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118