NY FANADINOANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANADINOANANy fanadinoana,
tsy ao an-tsaina
fa tsiaro inoana
no andrandraina.
Ny fanadinoana,
tsy tiako mihitsy,
tsy azo irosoana
ny nofinofy vitsy.
Ny fanadinoana,
tsy ekeko tokoa
fa azo amonoana
ny tsiky nahasoa.
Ny fanadinoana,
tsy zavatra tsara
raha toa tsaroana
ny lasa ho tantara.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana