NY FEON-KIRANTSIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FEON-KIRANTSIKA





Ny feon-kirantsika
no sioka eto am-bava
rehefa mba sariaka
sy mitady lalandava.




Ny feon-kirantsika
no lasa ho azy foana
rehefa tsy mikiaka
ny andro sy fotoana.




Ny feon-kirantsika
no mamelona ahy ery
rehefa toa masiaka
ny mamizana hatraty.




Ny feon-kirantsika
no andihizana indray
rehefa tsy mozika
no misy indraindray.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
921 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115