You are here: home > Vetso

NY FIANAKAVIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY FIANAKAVIANA





Toeram-pitiavana
ny fianakaviana 
feno fahasoavana
sy ireo fifaliana.




Toeram-piadanana
ny fianakaviana,
toky hananganana
ny firaisan-kina.




Toeram-pivoarana
ny fianakaviana
mety azo ianarana
ny tanjona tiana.




Toeram-piarahana
ny fianakaviana
vao hita mibahana
'reo hamamiana.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha