You are here: home > Vetso

NY FIEZAHANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NY FIEZAHANA




Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hahalala fahombiazana,
na dia ho feno fivavahana
ny tontolo izay fafazana !




Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hisy sitraka antenaina,
tsy hisy akory fahafahana
hampitondra lamin-tsaina.




Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hisy inona ho tanteraka :
ny nofinofy re no hibahana,
ny fotoana hampandreraka.




Rehefa tsy eo ny fiezahana,
tsy hitaona fahasambarana,
na misy foana fangatahana
hanova ery ny fandaharana.




Fredy JAOFERA