NY FITIAN'NY FAHATANORANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAN'NY FAHATANORANA





Ny fitian'ny fahatanorana,
mahalasa eritreritra indray
fa miranga tsy isalasalana
vao nihaona ka nifandray.




Ny fitian'ny fahatanorana
dia mamoha fota-mandry
ny lasa toa sarotra ialana
raha nikasa aho hiandry.




Ny fitian'ny fahatanorana
dia mampanahy vetivety
sao tsy miaina hazavana
ny anio na misy tsy mety.




Ny fitian'ny fahatanorana
dia mbola misy tsy maty
fa fitia tsy mba norarana
ho entin'ny taona sy daty.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1095 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113