NY FITIAVAN-TANINDRAZANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAN-TANINDRAZANA





Ny fitiavan-tanindrazana,
dia tsy fitiavan-tena
hikaroham-pahombiazana
hampanankarena.




Ny fitiavan-tanindrazana
dia tsy fitiavam-bola
mba entina hanambazana
an'ny ory na ny tola.




Ny fitiavan-tanindrazana
dia tsy fitiavan-doka
amin'ny vita sy fafazana
no mitaditady loka.




Ny fitiavan-tanindrazana
dia tsy fitiavam-basy
hanehoana fa dia mazana
amintsika Malagasy.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
2905 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115