NY FO TSY VATO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FO TSY VATO




Ny fo tsy vato
raha malahelo
tsy mba miato
fa mahita helo.



Ny fo tsy vato
raha ory ange,
jereo ny harato
fa simbany be



Ny fo tsy vato
ka sento mafy
no tato ho ato
mbola natafy.



Ny fo tsy vato
ka lena maso
fa nisy in-jato
ny efa ankaso.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/06/2025 03:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149