NY HAFATRO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HAFATRO





Mandehana izy haingana ambarao,
mandehana izy haingana mba lazao
fa any lavitra any sy izay aleha
misy poeta mbola tia, hono, hoe.



Mandehana izy haingana mba jereo,
ka vimbivimbino raha be toreo,
tambatambazo raha be tomany
tsy hampanjombona ahy hatrany.



Hafatrafaro azy fa tsy hadinoiko,
resadresaho azy fa mba tsaroako
ireo hirahira sy ilay fahiny
mametsovetso ankehitriny.

Ampitapitao azy tsara indray
ilay mbola fitiavako azy izay,
ka teniteneno azy, na im-polo
fa resaka ihany ny ho voasolo.



Ambarambarao azy f'ilay kamory
ka dia lany hira sy tonga ory,
lazalazao azy fa mba mitoetra
ny momba azy rehetra rehetra.



Veloma, hono, raha manontany,
hoy ilay misento sy te hankany,
asaivo manoratra raha mbola manina
fa ny hatraty avy no tsy hay tazanina.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1043 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/01/2013 17:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0426