Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY HENDRY TIA NY MARINA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HENDRY TIA NY MARINA Ny hendry tia ny Marina
raha mijoro ankehitriny
fa tsaroany ho mivarina
iny lalam--piainana iny.
Ny hendry tia ny Marina
raha korontana no hita
fa maro no nangalarina
ny vato mba hahatafita.
Ny hendry tia ny Marina
raha izao mamoaka feo
fa eritreritra ny hanarina
ny fahoriana mankaleo.
Ny hendry tia ny Marina
raha sahirana mitolona,
Na rahoviana ka itarina
fa dia tadiavin'ny olona.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
