NY KABARY HATRAMIN'IZAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KABARY HATRAMIN'IZAY






Ny kabary hatramin'izay
raha notanterahina avokoa
dia efa maro ireo nandray
fiainam-bao sy zava-tsoa.




Ny kabary hatramin'izay
raha nampiharina mihitsy
dia tsy ny jaly no nivay
na fahoriana no nanitsy.




.Ny kabary hatramin'izay
raha mba nomena hasina
dia tsy nisy nangaihay
na koa ny nitsinkasina.




Ny kabary hatramin'izay
raha injao narahina asa
dia tsy rediredy nanafay
an'ny vahoaka be kinasa.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1350 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116