You are here: home > Vetso

NY KOLONTSAINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NY KOLONTSAINA





Ny kolontsaina
dia varavarana
mora vohaina
raha ivoarana.




Ny kolontsaina
dia soatoavina
tsara hohajaina
ka aza lavina !




Ny kolontsaina
dia fahendrena
tsy viraviraina
no sady harena.




Ny kolontsaina
dia fanabeazana
natao hozaraina
hahombiazana.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha