NY KRISMASIM-PITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KRISMASIM-PITIAVANA





Ny krismasim-pitiavana
dia mitondra hazavana
manambatra ny havana
ho fety misy hafanana.




Ny krismasim-pitiavana
dia mbola be tononkalo
manjohy fankatoavana
ka henoy izay mandalo.




Ny krismasim-pitiavana
dia fanomezana lafatra
azo ambara ho goavana
mbola ikoizana fatratra.




Ny krismasim-pitiavana
dia mampiely hafaliana
mba anjara fahasoavana
mivimbina koa fitahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1008 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2672