NY LASA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LASA





Ny lasa nisy haravoana
no mbola tsarotsaroana
fa fahazazana niainana
tsy nanimba fisainana.




Ny lasa nisy ny rindra
no tsy foiko indrindra
fa lavitry ireo tebiteby
sy 'rony mandrebireby.




Ny lasa nisy fiadanana
no nanao hananganana
ny lamina mandrakizay
hahatretrika lava indray.




Ny lasa nisy an'Ikaky,
na mora nisinda malaky,
dia matory ato am-poko
sy tsy nahay niova loko.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
908 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117