You are here: home > Vetso

NY MOZIKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY MOZIKA





Raha be ny ranomaso
fa tratran'ny an-kaso,
mihainoa re mozika
hamalifaly antsika.




Raha manana alahelo
toa ivezivezen'avelo,
alefaso izay mozika
kanto mahasariaka.




Raha malomalo-dava
tsy antenaina hisava,
ao ihany ny mozika
ho ora manjopiaka.




Raha mifoha ny ratra
ka mila hivatravatra,
ao foana ny mozika
misy hira azo adika.




Fredy JAOFERA