NY. NIOVA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NIOVA Ny niova dia ianao ihany
fa ny aty re dia tsy izany :
mivoy lava fitia sarobidy
izay anio toa tsy tadidy.
Ny niova dia ianao ihany
ka misento tsy hita lany
sy mangingina hafahafa
fa ny tantara dia voafafa.
Ny niova dia ianao ihany
ka nanadala ireo tomany,
tsy nampino ny dona azo,
nipoitra ho azy itony tazo.
Ny niova dia ianao ihany,
ny sainao moa dia efa any ;
redirediko eto ny mitanisa,
veloma re no ambara sisa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana