NY NOELY FAHAZAZA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOELY FAHAZAZA




Ny Noely fahazaza
dia velona ombieny
mbola mba sahaza
fa mamy lavareny.



Ny Noely fahazaza
dia tsaroana indray
misy, hoe, mifohaza
izay haravoana izay.



Ny Noely fahazaza
dia tantara monina,
na tsy misy milaza
anio fa tsy foronina.



Ny Noely fahazaza
dia tontolo kilalao,
na efa tsy hita aza
hamoha tsiky vao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
509 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115