NY ORAM-PAHORIANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ORAM-PAHORIANANy oram-pahoriana
dia tsy fanasaziana
na tsy fahamarinana
fa dia fanambinana.
Ny oram-pahoriana
dia tsy fahakiviana
fa mbola fahendrena
mivoy ny fandresena.
Ny oram-pahoriana
dia tsy fitomaniana
fa manefy fiezahana
ao anaty fivavahana.
Ny oram-pahoriana
dia tsy fandaniana
ny andro manontolo
ho sento be daholo.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
