NY ORY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ORY




Ny ory,
tsy havan'ny manana,
fotory,
na mitady fihavanana.




Ny ory,
tsy havan'ny sambatra,
na hitory
fa vonona hitambatra.




Ny ory,
tsy havan'ny mazana
mamory
ny, hoe, fahombiazana.




Ny ory,
tsy havan'ny voky,
matory
vao maro ireny toky.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117